Hatramin’ny nisian’ny mpitondra nifandimby teto amin’ny tany sy ny firenena dia sambany ho an’ireo mpamily taksia eto andrenivohitra no nahazo fanampiana avy amin’ny Filoham-pirenena. Hatramin’izay, hoy ny filohan’ny Fikambanan’ny Taksia Antananarivo Renivohitra na FTAR, ramatoa Clémence Raharinirina, fa na miakatra aza ny vidin’ny solika dia tsy mba nisitraka fanampiana tamin’ny mpitondra ny taksia mivondrona ao anatin’ity fikambanana ity, fa ny taksibe hatrany no nahazo izay “subvention” na fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izay. Fa amin’izao, dia nankasitraka ny filohampirenena, ny filohan’ny FTAR, tamin’ny vola omena ny mpamily taksia, izay tsy afaka miasa, noho ilay valan’aretina coronavirus ary tsy hiparitahan’izany dia miato aloha ny asa fitaterana ataon’izy ireo. Nisaotra ny filoha tamin’ny vola 100.000 ariary omena ny mpamily taksia ny filohan’ny FTAR. Efa mandeha amin’izao ny fanangonana ny antontan-taratasin’ireo mpamily taksia izay hisitraka ity fanampiana avy amin’ny filoha ity. Marihana, fa mahatratra 7 800 ny isan’ireo mpamily taksia eto andrenivohitra.


