Tonga halina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ireo fitaovana fitiliana sy fanampenam-bava izay nafarana avy any ivelany. Tonga naka izany teny an-toerana ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ireo mpikambana tao amin’ny governemanta niaraka tamin’ny solotena maharitry ny “Organisation Mondiale de la Santé” na ny OMS. Araka ny fanazavan’ny filoha, dia averina ho tiliana amin’ireo fitaovana vaovao ireo avokoa ireo mpandeha miisa 3 500 tao anatin’ilay sidina Air France. Tsy mahasakana ny fitiliana izay ataon’ny “Intsitut Pasteur” anefa izany. Mba ho fiarovana sy tsy hiparitahan’ilay valan’aretina coronavirus eto amintsika no hanaovana izay famerenana fitiliana izay, hoy ny filoha. Araka ny fantatra, dia aparitaka manerana ny faritra sy amin’ireo toerana nametrahana ilay CCO na “Centre de Commandement Opérationnel” sy any amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana misandrahaka manerana ny faritra ireo fitaovana vaovao vao tonga ireo.


