KAOMININA AMBOHIMANGAKELY : Miaina fay rano hatrany

Efa ho an-taonany no tsy nisy rano nitete intsony ny robinet n’ireo trano eny Ambohimangakely, manjifa ny ranon’ny orinasa Jirama. Mandraka ankehitriny tokoa mantsy dia mitanjozotra mamonjy ny filaharana eny amin’ireo fitoeran-drano vonjimaika vatsian’ny Jirama amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fiarabe sy mizotra eny an-doharano ireo mponina. Tsy ireo mpanjifa ihany anefa no iharan’ny tsy fisian’ny rano fisotro madio avy amin’ny Jirama amin’ny alalan’ny fantsona fa hatramin’ilay hopitaly manara-penitra eny an-toerana hany koa no mizaka izany.

Miandry fa Gasy ?

Nankalazaina fatratra tamin’ny alalan’ny fampiasana ny haino, vaky, jery ny hahavitan’ilay tobim-pisintonana sy fanangonana ary fanapariahana rano eny Amoronankona Ambohimangakely.

Nambara mihitsy aza fa efa nisy ny andrana natao tamin’ity tobin-drano vaovao ity, hamahana olana ny famatsiana rano amin’ny ilany atsinanan’Antananarivo. Nisy lesoka “hono” ny fomba nametrahana ireo fantsona koa tsy maintsy naverina indray ny fanaraha-maso azy ireny. Hatreto raha nohadihadiana ny teo anivon’ny Jirama dia nanambara fa tsy ho ela intsony ny fampandehanana ny toby eny Amoronankona. Sao “Tsy ho ela toy ny volan’ny Cnaps”, ity toe-draharaha mampitondra faisana ny mponin’Ambohimangakely ity, hoy ilay be vazivazy izay. Tsy mazava tokoa mantsy ny fanampim-panazavana azo momba ny fahavitana na tsia ny asa fanorenana ny toby famatsian-drano vaovao eny Amoronankona hatreto. Asio mangaraharaha fa efa sasa-miandry tanteraka ny mponina eny Ambohimangakely ry Jirama a !  Ny mpanjifa anie no andrianina e !

Vous aimerez aussi