Fiarahan’ny lahy samy lahy… : Mahazo laka koa ny vavy samy vavy

Misosa mankaiza ny fiainan’ny tanora Malagasy ? Am-bava loza tokoa mantsy ny firenena iray rehefa  tsy milamina ara-politika. Goragora sy anjakan’ny gaboraraka ny fiainan’ny fiaraha-monina ankehitriny hany ka tsy mahagaga raha mitranga avokoa ny tsy ampoizina rehetra.

Mahazo vahana

Ny fivarotan-tena na fampanofana fahafinaretana aloha efa tsy mahataitra ary azo ambara fa efa zatra mahita izany ny Malagasy. Endrika asa fivelomana mahazo vahana tanteraka aty amin’ny tany mahantra toa antsika. Anisan’ny antony mankadiry manosika ny tanora hiroboka amin’ny fampanofana fahafinaretana ny tsy fisian’ny asa fivelomana maharitra sy milamina.

Hafa kely kosa, sady fivarotan-tena efa mamoafady no mbola mivaro-tena mamoafady mahamenatra ny fahitana ireo lehilahy samy lehilahy, vehivavy samy vehivavy, miaraka mitanjozotra mifampisakambina sy mifanorokoroka miditra amin’ny hotely. “Mpivady ireny”, hoy ity mpiasan’ny hotely  iray ary handeha hanao firaisana ara-nofo ato aminay izy ireo. Tsy hotely iray na roa fa dia ny ankamaroan’ireo hotely eto an-drenivohitra no efa ahitana izany.

Manana Soatoavina

Ny Malagasy dia mandala fomba sy manaja ny soatoavina. Tsy vitsy ihany koa ireo mpino kristiana. Fady eo amin’ny fiaraha-monina izany fiarahan’ny mitovy fananahana izany ary voararan’ny Soratra Masina rahateo. Ireo mpino silamo ihany koa dia manohitra marindrano ity fomba mamoafady ity.

Misy mihitsy ny lehilahy manao sarim-bavy mivaron-tena eny Analakely sy Antaninarenina. Tsy vitsy amin’izy ireny ihany koa anefa no manao ny asa fanendehana rehefa ratsy ny tsenan’ny fampanofana fahafinaretana.

Endrika hafa isehoan’ity tranga ity ihany koa ny fisian’ireo sokajin’olona manan-katao izay voamarika fa mankafy manokana ity “taranja sadasada” ity. Tsy misalasala izy ireo amin’ny “fikôtiana” ireo zazalahy kely mpianatra. Ravola “Sôsy” no fitaovana entin’izy ireo manjono ireo boaykely miampy ny fiarakodia raitra sy hiaka farany.

Entanina ireo tanora, zaza Malagasy mba tsy hirona amin’ity fomba mamoafady ity fa hiteraka fahasimbana ara-batana, ara-tsaina ary indrindra fahaverezana ara-panahy ny fanaovana izany. Ataovy toy ny voankazo an’Ala, ny mamy hatelemo, ny mangidy kosa aloavy e !!!

Vous aimerez aussi