14 febroary, andro maneran-tany hankalazana an’I Masindahy Valentin, angady nananana sy vy nahitana ny fanamarihana sy fankalazana ny andro ho an’ny mpifankatia.
Ankehitriny, efa nivadika ho sehatra fampiroboroboana fotsiny ihany ny sehatry ny fampidiram-bola ny fanamarihana ny 14 febroary. Ampahany amin’ireo sehatrasa tena hita misongadina ny fisongan’ny vola miditra aminy ny an’ireo mandraharaha amin’ny fitantanana hotely misy efitrano fandraisam-bahiny sy ireo “Mpampanofa fahafinaretana”.
Tsy misy diso anjara
Tsy nihambahamba ity tompon’andraikitra iray nisafidy ny tsy nitonona anarana nanambara fa mitombo avo roa heny mahery ireo mpifankatia misafidy ny hiditra amin’ireny efitranon’ny hotely ireny rehefa fetin’ny mpifankatia. Tsy maharaka mihitsy, hoy izy ny isan’ireo efitrano koa tsy mahagaga raha toa ka hipoka be ny efitrano fiandrasana “Salle d’attente” mandritra ny tontolo andro sy alin’ny 14 febroary. Ireo hotely miorina amin’ny toerana somary mangingina (lavitra tanàna) sy mihataka kely ny Renivohitra no tena hifanotofan’ireo mpifankatia. Isan’ora, hoy ihany ity tomponà hotely nitafa taminay ity ny sara takiana amin’ireo mampiasa ny efitrano. Arakaraka ny hatsarana sy ny maha harifomba “confort” hita anatin’ireny efitra ireny ny sarany. Miainga amin’ny 5 000 Ariary ary mety ho tafakatra hatrany amin’ny 100 000 mahery mihitsy aza. Tsy diso anjara amin’ny fitomboan’ny vola miditra amin’izy ireo ihany koa ireo “Mpampanofa fahafinaretana”. Ireto farany izay zara fa misy fotoana hakana aina noho ny hamaroan’ireo mpanjifa. Sokajin’olona maro, araka izany, no tazana mifanaretsaka sy manao tsy homby aloha amin’ireny toerana ireny rehefa fetin’ny mpifankatia tahaka izao. Maro anisa anefa ireo tanora lahy sy vavy.
Misy fepetra
Na eo aza ny fitomboan’isan’ireo mampiasa ny efitrano fandraisam-bahiny mandritra ny fankalazana ny 14 febroary dia tsy tokony ho hadinoina fa toerana voarara ho an’ireo latsaky ny 18 taona ny hotely misy fandriam-bahiny. Voahaja tokoa àry ve ny fampiharana izany eto amintsika sa anjakan’ny gaboraraka tahaka ny sehatrasa sasany? Ireo tompon’andraikitry ny hotely fandraisam-bahiny nifampitafa taminay moa tsy nihambahamba nilaza fa takian’izy ireo ny karampanondrom-pirenen’ireo olona manjifa ny efitrano izay tombanana ho mbola tsy ampy taona.
Ny hirariana dia mba ho ny fitiavana madio ombam-panajana tanteraka no hanjaka sy hiorim-paka bebe kokoa hatrany mandritra ny fotoam-pankalazana ny fetin’ny mpifankatia fa tsy sanatria ho ampiasaina amin’ny fangalaram-pitia sy ho filana ara-nofo tsy voafehy fotsiny ihany no hibaiko ny tsirairay anatin’ny fankalazana ny 14 febroary. Zava-masina tokoa mantsy ny fitiavana ary sarobidy loatra koa mendrika ho kajiana fatratra.



