Olona iray no ahiana ho mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto amintsika, saingy mbola andrasana kosa ny valin’ny fitiliana avy any amin’ny Institut Pasteur ho tena fanamarinana ny aretiny.
7 kosa no mbola arahi-maso fotsiny, eny amin’ny hopitalin’Anosiala ihany, ka miandry ny 14 andro hanamarinana ny toe-pahasalamany.
Fanazavana avy amin’ny Dr. Manitra Rakotondravony, tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka izany, io maraina io, nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ny mpanao gazety.
Fanahiana ihany
Ny 12 febroary teo no natokana teny amin’ny hopitaly ity olona iray ahiana ity. Apetraka ao anatin’ny fanahiana ny olona iray noho ny fiakaran’ny hafanany, toa voan’ny gripa ary nifanerasera tamin’ny olona avy Chine, tao anatin’ny 14 andro. Noho izany dia raisina an-tànana ny fanaraha-maso ny fahasalamany.
Ny arahi-maso kosa dia tsy misy fisehoan’aretina , saingy arahi-maso fotsiny ihany. Ary tsy misy fitsirihana atao aminy akory, saingy andrasana kosa ilay 14 andro hijerena azy raha afaka mody soa aman-tsara izy na tsy maintsy atao fitsirihana ihany koa raha sanatria misy ny fisehoan’aretina.
Arahi-maso akaiky ny seranana rehetra
Na eo aza ny fanafoanana ny sidina avy Chine dia tsy maintsy mailo ary arahi-maso akaiky hatrany ny fidiran’ny vahiny avy any ivelany, indrindra avy amin’ireo firenena efa misy ity tsimokaretina ity, hoy ihany ity tompon’adraikitry ny fahasalamam-bahoaka ity.
Efa misy, araka izany, ny tompon’andraiki-pahasalamana eny amin’ny seranan-tsambo 14 sy ny seranam-piaramanidina 9 misy eto amintsika, izay manao ny fitsirihana amin’ny fahatongavan’ny olona rehetra tsy misy fanavahana.
Mila mitandrina ny rehetra
Tsy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana ihany, araka izany, no tokony haka fepetra, fa ilaina ho mailo amin’ity tsimokaretiny tsy mbola ahitam-panafana ity avokoa ny rehetra.
Tokony hibahan-toerana, noho izany, ny fitandroana ny fahadiovana, eny na dia ny fahazarana amin’ny fanasana tànana ihany aza.


