Very asa tanteraka ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo amin’izao ary mitaky ny zony rehetra izy ireo, saingy, tsy nahazo izany. Mpiasa manodidina ny 107 no indray naato tamin’ny asany tao amin’ny kaominina, ka mpiasa 21 sisa no manodina sy mampandeha ny raharaha. Araka ny fanazavana voaray, dia nanao fifanarahana asa tamin’ny kaominina ireto mpiasa ireto, fa tsy tamin’ny Ben’ny tanàna. Araka ny fantatra dia efa nisy ny fifanatonana teo amin’ny mpiasa sy ny mpitantana ny tanàna, fa tsy nahita vahaolana. Mitaky ny taratasy fandroahana azy ireto mpiasa, eo koa ny fitakiana “préavis” sy ny karama izay mbola tsy voaray. Voalazan’ireto mpiasa, fa efa tamin’ny taona 2019 no vita ny fifanarahana nataon’izy ireo tamin’ny kaominina ary izao naato amin’ny asany izao. Izany no mahatonga azy ireo mitaky ny zony rehetra.
“Tsy midongy ho raisina mpiasan’ny kaominina izahay, fa mitaky ny zonay”, hoy izy ireo. Nambaran’ireto mpiasa noroahina ireto hatrany, fa amin’izao fotoana izao dia niakatra ny vidin’ny rano. Nahitana fiakarany koa ireo taratasy ilaina sy/na alaina ao amin’ny kaominina. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ambony ireto mpiasa ireto mba hijery akaiky ny olana sedrain’izy ireo. Marihana, fa efa nametraka ny fitarainany tany amin’ny “Inspection du travail” ireto mpiasa ireto.

