Nanolotra fiara tsy mataho-dalana sy solika ho an’ny Zandarimaria, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, Rakotonirina Augustin.
Nambarany, fa noho ny firongatry ny asan-jiolahy tao anatin’ny iray volana izao, izay nandratrana sy nahafatesana olona dia nandray ny andraikiny izy amin’ny fanampiana ireo mpitandro ny filaminana. Ny tranga farany nadritra ny faran’ny taona teo, dia ramatoa iray no naratra ary mpandraharaha iray voaroba vola an-tapitrisany. Teo koa ny fanafihana taksiborosy tamin’ny RN44, ka nahaverezana vola sy entana maro. Ny olombelona eo anivon’ny Zandarimaria dia ampy, fa ny fitaovana no tsy maharaka no sady tsy ampy, ka nahatonga ny solombavambahoaka nanolotra io fiara 4×4 niaraka amin’ny solika io. Mbola fanombohana sy santatra izao fanampiana izao, fa ho avy ny fanampiany, hoy izy.

