Mbola tsy niverina namonjy sekoly ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana ara-panjakana CEPE, BEPC ary ny bakalorea ho an’ny kaominina Ambanintsena, noho ny tsy mbola nahazoan’izy ireo ny tambavy covid organics. Manampy trotraka izany, tsy nisitraka ny vatsy tsinjo hatreto ny mponin’Ambanintsena izay miisa manodidina ny 10 000. Tsy tazana tany an-toerana ihany koa ny fizarana arovava maimaimpoana ho an’ny isan-tokantrano.
Manahy
Manahy, araka izany, ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny amin’ny mety hanaovan’ireo mpianatra hazakazaka arahan-tosika amin’ny famitana ny fandaharam-pianarana. Vokany, ho fohy ny fotoana ahafahana miatrika ny famerenana ankapobeny mialoha ny hiatrehana ny fanadinam-panjakana. “Tsy afaka nandray fanapahan-kevitra hamerina ireo mpianatra an-dakilasy izahay”, hoy ity mpanabe iray nitafa taminay, noho ny fanambarana fa tsy maintsy tolorana tambavy covid organics aloha ireo mpianatra. Hatreto anefa, hoy ihany izy, tsy mbola nahazo ny anjarany ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto Ambanintsena.
Tsy nihambahamba ireo mponina nanambara fa toa hadinon’ny fanjakana foibe ny fisian’ny kaominina Ambanintsena noho izy ireo tsy mba nisitraka ireo endrika fanampiana maro isan-karazany ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana mbola iainan’ny Malagasy izao. Nitondra fanazavana fohy ny Governoran’Analamanga Rasoamaromaka Hery, nanambara fa ny lafiny fandaminana eo amin’ny fomba fitsinjarana ireo fanampiana no niteraka fahataran’ny fahatongavan’ny vatsy tsinjo ho an’ny kaominina Ambanintsena. Inoana, araka izany, fa ho avy tsy ho ela izany, sitrany hanamaivana ny fahasahiranana vokatry ny hamehana ara-pahasalamana.


