ASAVOROVORO NY ENY IFOTONY : Korontanina ny mpiasan’ny Fokontany

Inona no antony maha maika ny fanoloana mpiasa eny anivon’ny Fokontany amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ? Mety mifandraika amin’ny fizarana ireo fanampiana ve izany ?

Ahoana ny fanaraha-maso ny volam-pokontany raha olona iray ihany no misahana sy mitantana izany ? Hisy manerana ny Nosy ve ny fanovàna tahaka izao ?

Rahoviana no tena hanara-dalàna ny Fitondrana ka hanao fifidianana Sefo Fokontany ?

Maro ny fanontaniana manitikitika ny vahoaka eny ifotony eny amin’izao fanoloana tompon’andraikitra eny anivon’ny Fokontany eny izao. Tampoka ny fanoloana ka tsy fantatra mazava  ny nihavian’ny didim-pitondrana milaza izany.

Ho an’ny Fokontany sasany dia nosoloina ny sekretera. Io ihany koa no misahana ny fitantanam-bola. Ho an’ny hafa dia efa voasolo hatramin’ny Sefom-pokontany mihitsy.

Valalanina ny vahoaka

Valalanina ny saim-bahoaka manoloana izany satria olona napetraka noho ny maha akaiky azy amin’ny Fitondrana ny ankamaroan’ireo vaovao ireo.

Mifanalavitra amin’ny politika napetraky ny Filoham-pirenena mikasika ny fametrahana ny Loharano, izay olona to teny sy mamim-bahoaka eny ifotony eny izany.

Tahaka ny teny Ambohipo, Andavamamba,… dia velona ny fitarainan’ny vahoaka satria olom-baovao tsy afaka hiara-hiasa amin’ny vahoaka  no nokasaina hasolo ny amperinasa.

Ny any amin’ny hafa aza moa dia toa ankohonana iray no lasa misahana ny asam-pokontany ary mbola fianakaviana ihany koa no ao amin’ny komitin’ny Loharano.

Raha izany no heverina handaminana ny rafitra eny ifotony eny dia ho ela vao hiainga ny tena fampandrosoana.

Moa tsy ity resaka kitranoantrano ity ihany ve no mahatonga ny fanodinkodinana samihafa ?

Inona no tsy hanatanterahana ny lalàna hifidianana Sefom-pokontany raha dradradradraina fa tany tan-dalàna isika ?

Raha izao zava-misy izao dia hita miharihary fa ampianarina ny vahoaka ny tsi-fanarahan-dalàna ka miainga…eny ifotony izany !

Vous aimerez aussi