RADIOM-PIRENENA MALAGASY : 89 taona : Enga anie ka…

Mitsingerina anio 29 aprily ny faha- 89 taona nijoroan’ny Radiom-pirenena Malagasy. Vavolombelon’ny fianam-pirenena, araka izany, ny RNM ary azo ambara ihany koa fa mitahiry ireo vakoka sy harem-pirenena maro. Maro ny vita, mbola maro ireo miandry…

Filamatra sy fitaratra ?

Voasokajy ho ao anatin’ireo sokajin-taona irian’ny rehetra “antitra” raha ny 89 taona efa niainan’ny RNM. Ny irariana ho an’ny onjam-peom-pirenena malagasy dia mba ho taratra hatrany amin’ny fomba fiasa fa antitra mampiady kalo, ka ny antitra, antitra ihany. Ho zoky ray aman-dreny mba ho fitaratra madio fa tsy sanatria hangavoka ho an’ireo zandry mahaleo mahalasa eo amin’ny sehatry ny serasera ihany koa. Ho zoky ray aman-dreny ho mpitarika amin’ny fanjohina ny lalantsara ka izorana fa tsy sanatria ho mpamarina an-kady.

Fanirian’ny Malagasy ho an’ny RNM amin’izao tsingerin-taona nisiany izao ny  hamoahana ny varavarany ho an’ny rehetra mba hialana amin’ny  feon-dakolosy tokana tsy ahitam-bokatsoa. Faniriana mora am-pitenenana, hoy ny maro fa sarotra tanterahana ho an’ireo tomponandraikitra nifandimby teo anivon’ny onjam-peom-pirenena aloha hatreto.

89 taona niainana, ny Radiom-pirenena Malagasy. Sarotra sy mideza ny lalana nodiaviny, fa tsy kivy tsy ketraka ireo mpiasa rehetra miezaka andro aman’alina manodina azy. Anisan’ny hetahetan’ireo mpiasan’ny RNM ny hanavaozana tanteraka ireo fitaovam-piasana ahafahana miatrika ampahatoniana sy ampahavononana ny fifaninanana. Mirary ny Radiom-pirenena Malagasy ho lava velona hatrany ary hahavita be ao anatin’ny fanatanterahana ny adidy masina ho an’ny tanindrazana.

Vous aimerez aussi