JIRAMA : Tapa-dava ny jiro, ny faktiora midangana !

Ora 2 farafahakeliny no tapaka ny jiro tato ho ato. Tsikaritra anefa fa misondro-bidy hatrany ny faktiora ! Taraina ventesin’ny tokantrano maro eto andrenivohitra izany, efa ho andro maromaro izay.

Ho an’ny faritra sasany aza moa dia miaraka amin’ny fahatapahan’ny rano koa izany, ka ny alina ihany vao mba misy rano.

Ao anatin’ny fijaliana tanteraka ny vahoaka manoloana izany satria tsy vitan’ny tapaka jiro ihany ny sasany fa eo koa ny fahavoazan’ny fitaovan’ny sasany.

Fijaliana ny tsy fisian’ny herinaratra ao anatin’ny adin’ny 8, indrindra ireo mpiasa tena mivelona amin’izany.

Na mpanao volo na mpanao cyber,….izay tsy miasa afa-tsy tapak’andro dia mahita faisana amin’ity fahatapahan-jiro ity, indrindra fa ny maraina no matetika mitranga izany.

Tsy vaha-olana ny fanefana ny faktiora tsikelikely

Mikasika ny fandoavana tsikelikely ny volan’ny JIRAMA kosa dia tena tsy vaha-olana amin’izao fotoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao izany fa tsy tokony handoa izany mihitsy ny mpanjifa.

An’ny Fanjakana ihany ny orinasa ka tokony ho izany no fanampiana ny vahoaka efa tena miraviravy tànana amin’izao toetr’andro izao.

Efa tsy hita ihany ny vola mivaingana ho fanampiana ny hafa ka tokony ho ny vidin-jiro sy rano no anomezana fahafahampo ireo mpampiasa izany.

Ny tena mifanohitra amin’izany anefa izao no mitranga : tsy ampy fidiram-bola ny isan-tokantrano, ny vidin-jiro anefa hakarina hatrany !

Vous aimerez aussi