44 indray ny tranga vaovao hita ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus androany, araka ny fanambarana ofisialy.
Fitiliana miisa 234, izay nataon’ny laboratoara IPM sy CICM no nahitana azy ireo.
26 tamin’ireo tranga vaovao ireo no tao Toamasina, izay nahitana 1 tamin’izany ny tao andrenivohitra, Analakininina,…. Nisy 6 hafa koa tao Moramanga.
Ny 18 kosa dia teto Antananarivo, ka ny 6 tamin’izy ireo teny Alakamisy Atsimondrano, 3 teny Mahamasina, 1 teny Betongolo ary 1 teny Alakamisy Fenoarivo.
Miisa 656, araka izany, ireo efa voany sy mbola voany.
500 kosa ireo mbola tsaboina ankehitriny, rehefa nialan’ireo sitrana 3 teny amin’ny hopitalin’Andohatapenaka, androany. Miisa 154, noho izany, ny totalin’ireo sitrana hatrizay.
Mijanona ho 10 ny isan’ireo marary manana toe-pahasalamana somary ahiana. Ary 2 ihany no maty.
Efa fantatra ny fiarovana
Na tsy mandripaka tahaka ny any ivelany aza ny fahavoazana mitranga eto amintsika dia hita fa tsy mitsaha-mitombo kosa izany.
Efa diso fantatra loatra ny fanefitr’ity valanaretina ity dia ny tsy fivoahana ny trano, ny fialana amin’ny fitangorongoronana, ny fanaovana sarontava, ny fanasan-tànana matetika,…
Mampalahelo anefa fa hitrangan-javatra mampisavorovoro indray ao Toamasina ao, izay efa voalaza fa ivon’ity valanaretina coronavirus ity, kanefa velona indrindra ny fifampikasohana. Mitranga ao ankehitriny ny fitokonan’ny mpianatra, eo koa ny grevin’ny Mpitsabo,…
Soa fa efa samy mahalala ny fepetra tokony hatao ny rehetra.


