« JEUX DE LA FRANCOPHONIE » : Hahemotra amin’ny 2022

Raha ny fandaharam-potoana efa voafaritra, ny 23 jolay hatramin’ny 8 aogositra ho avy izao, any  amin’ny repoblika demokratikan’ny Congo « RDC » no tokony hanatanterahana, ny andiany faha- 9, amin’ny lalaon’ny tany miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay.

Noho ny fihanaky ny covid- 19 sy ny fifanindriana eo amin’ny daty hanaovana ny lalao olimpika izay efa nasiam-panemorana ihany koa sy ny « jeux de la francophonie » anefa dia nanapa-kevitra ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJF) sy ny firenena tokony hampiantrano ny lalao fa hahemotra any amin’ny taona 2022 ny fihaonana.

Raha tsiahivina, i Canada no tokony nampiantrano ity andiany faha- 9 ity, saingy niala andaharana izy  noho ny tsy fahampiana teo amin’ny nenti-manana ara-bola. Nanam-panirina toy izany koa ny nosy Maorisy saingy tsy tomombana sy tsy ampy ny lafiny foto-drafitrasa sy ny vola tokony nantontona ho fiatrehana izany.

Ho an’ireo atleta mpanao fanatanjahatena, tsy sakana ho azy ireo ny fihemoran’ireo fifaninanana iraisam-pirenena noho ny fisian’ny covid- 19 fa vao mainka aza ireny hahafahana manatevina ny lafiny fanomanan-tena hikendrena vokatra tsara kokoa hatrany.

Vous aimerez aussi