SEHATRY NY FITATERANA : Tratra ny viriosin’ny fitiavan-tena

Mazava ny resaka ankehitriny fa dia fitiavan-tena tafahoatra no nanosika ireo tompon’ny fiara mivondrona eo anivon’ny kaoperativa, nanatanteraka ilay « fikomiana tsy hiasa » nambaran’izy ireo tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity. Tsy mitombina, araka izany, ny fiventesana teny anivon’ireo haino, vaky, jery fa mizaka fatiantoka  ireo misehatra amin’ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina koa mila jerena manokana ao anatin’ny fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana.

Natao fitaovana

Nataon’ireo tompon’ny fiara fitaovana ho fitadiavana ny tombontsoan’izy ireo manokana ny kaoperativa fa tsy mba ny fikatsahana ny tombontsoa iombonan’ireo mpikambana, hoy ity mpamily amin’ny zotra iray eto an-drenivohitra nisafidy ny tsy hotononina anarana. Noho ny fitiavan-tena diso toerana teo amin’ireo tompon’ny fiara mialokaloka ao anatin’ny kaoperativa, dia nizara ho ankolafy miisa roa ireo mpanao fitaterana. Misy ireo nisafidy ny hanohy ny asa, tetsy ankilany kosa ireo nanaraka ny baikom-pikomiana koa tsy niasa. Firaisankina sadasada ho amin’ny tsy rariny, araka izany, no nokasain’ireo tratra ny viriosin’ny fitiavan-tena mandraharaha amin’ny asa fitateram-bahoaka eto Analamanga sy ny manodidina notanterahana fa tsy ny fatiantoka akory. Soa fa maro tamin’ireo mpitatitra no tonga saina izay tsy nanaraka ny « baikom-pikomiana » ny amin’ny hampitsaharana vonjimaika ny asa fitateram-bahoaka ny talata lasa teo.

Vanimpotoana ilana ny fifampitsinjovana, ny firaisankina no misy antsika Malagasy ankehitriny koa aleo halavirina toy ny fasam-bao ny fitiavan-tena diso toerana izay tsy hiteraka tombontsoa iombonana na oviana na oviana fa vao mainka hampitombo ny fahasahiranana efa mby an-koditra. Fotoana hanitsiana ny lesoka eo amin’ny fomba fiasa sy ny rafitra eny anivon’ireo kapoerativam-pitaterana ihany koa izao. Tanteraho ilay hoe : Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety hiarahana manarina dia hirindra sy ho tena matihanina tokoa ny sehatry ny fitaterana eto an-tanàna e ! Tadidio mandrakariva ihany koa fa ny mpanjifa no andrianina fa tsy ny tompon’ny fiara akory.

Vous aimerez aussi