MPANAO ASA TANANA : Maina ny tsena, sahirana amin’ny fitadiavana akora fototra

Mikaikaika aoka izany ihany koa ireo mpivarotra asa tanana malagasy noho ny tsy fisian’ny mpanjifa ny vokatra sy ny olana amin’ny fitadiavana ny akora fototra ampiasainy.

Ireo teratany vahiny manao fizahantany eto Gasikara no maro an’isa amin’ireo mpivanga ny vokatra, hoy i Marie, mpivarotra asa-tanana vita malagasy eny amin’ny tsenan’ny Coum 67 Ha, saingy noho ny sisintany mbola mihidy dia zara raha misy mpanjifa ny entana. Ankoatra ny olan’ny tsy fisian’ny mpividy, mbola olana tsy maintsy hatrehan’ireo mpanao asa tanana ihany koa ny fahasarotan’ny fitadiavana ireo akora fototra. Maro amin’ireo akora fototra no tsy maintsy hafarana any amin’ny faritra manodidina nefa tsy mbola misokatra ny fifamoivoizana. Vokany, raha misy ny mpanjifa tonga mitady vokatra asa tanana malagasy miavaka mba hatao fanomezana dia tsy afaka hanatanteraka izany ireo mpanao asa tanana.

Mila beazina

Azo tarafina amin’izao olana mianjady amin’ny tsy fisian’ny mpanjifa ny asa tanana malagasy izao, araka izany, fa mila fitaizana maharitra ny Malagasy vao hanome lanja ny asa tanana vita malagasy. Anisan’ny fitaizana ny Malagasy ho tia sy hankafy ny vita malagasy, ohatra, ny fanomezana azy ireo ny kalitao tsara. Tsy ampy anefa izany fa mila mametraka drafitra sy paikady mazava hoenti-mampivoatra sy manome tosika bebe kokoa hatrany ireo mpanao asa tanana ilay atao hoe : « Fanjakana mahefa ». Hatreto aloha, mbola miandry fatratra ny fanatanterahana izany ireo mpanao asa tanana izay efa mizaka ny tsy eran’ny ainy ankehitriny.

Vous aimerez aussi