IVATO : Tonga ireo Malagasy 176 avy any Koweit

Tamin’ny 6 ora fahefany hariva teo no nigadona teny Ivato ny fiaramanidina nitondra ireo Malagasy 176 avy any Koweit.

Na efa natao fitiliana aza izy ireo dia mbola natao izany ihany teny am-pahatongavana mba ahazoana manamafy ny vokatra.

Araka ny filazana dia tsy nisy nanana maripana ambony izy ireo ka azo lazaina ho salama avokoa.

Asa izay tao anaty fiaramanidina tao fa raha ny teny am-pahatongavana aloha dia voahaja ny elanelana iray metatra sy ny fanaovana sarontava.

Efa vonona teny an-tseranana koa ny fiara miisa 8 izay nomanina hitatitra azy ireo ho any amin’ireo hotely efa voatokana handraisana azy. Any no hanokana-monina azy ireo ka hanarahiny ny fepetra rehetra mikasika ny fitokana-monina mandritra ny 14 andro.

Na teo aza ny fianakaviana maro nanao tazan-davitra azy ireo dia tsy afaka hifandray mihitsy ny roa tonta mandritra izany fotoam-pitokana-monina izany.

Aorian’ny 14 andro, rehefa ara-dàlana ny toe-pahasalaman’izy ireo dia afaka miriorio eny amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina izy ireo na dia any amin’ny Faritany aza.

Misy amin’ireto avy lavitra ireto moa no efa nahavita fe-potoana fifanarahana tamin’ny asany, eo koa ireo tapitra fe-potoana fijanonana tany, nisy tamin’izy ireo aza no nibaby fijaliana noho ny nafitsoky ny mpampiasa azy,…

Nisy moa ny fifanampiana sy ny fifanarahana tamin’ny tompon’andraikitry ny Fifindra-monina na ny Organisation Internationale pour les  Migrations (OIM) sy ny mpiandraikitra ny asa na ny Organisation Internationale de Travail (OIT) ka nahatonga izao fahazoan’izy ireo mody an-tanindrazana izao.

Vous aimerez aussi