CORONAVIRUS : Tany Atsinanana avokoa ny tranga vaovao 42

Tranga 42 vaovao no voatily tamin’ity anio ity ka tany amin’ny Faritra Atsinanana (Toamasina sy Ambatovy) avokoa izy ireo. 1 094 izany no isan’ireo olona voatily nanana soritraretina hatrizay.

Sitrana 21 kosa no nivoaka ny hopitaly androany. 254 izany no isan’izy ireo.

832 ny isan’ireo olona an-dàlam-pitsaboana, ka ny 10 no manana ilay fahasemporana.

Mijanona ho 9 kosa ireo namoy ny ainy tamin’ity aretina ity.

13 707 ny fitiliana

Miisa 13 707 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatrizay nisian’ity valanaretina ity. Vitsy loatra izany raha ny tarehimarika no jerena.

Hita anefa fa miaka-midina eo ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina, izay maneho fa mbola misy tokoa ny mitondra azy.

Tsy misy afa-tsy ny fitiliana ihany anefa no hampitsahatra ny ady kanefa toa tsy voafehy loatra intsony ny fifampikasohana hita etsy sy eroa.

Tsy mahavita ny fanampiana ho an’ny vahoaka intsony ny Fitondrana ka samy miaina amin’ny fitadiavana izao ny rehetra.

Mivahavaha ihany ny fepetram-pitandremana eny anivon’ny fiaraha-monina eny kanefa tokony ho samy mailo ny rehetra.

Vous aimerez aussi