IMBIKY ANACLET MPAHAY LALÀNA : “Nalaina an-terisetra tamintsika ireo nosy eparsa ireo”

Nitondra ny heviny mikasika ireo nosy eparsa izay mbola ifampiresahana amin’ny Lafrantsa, ny mpahay lalàna, atoa Imbiky Anaclet. Nambaran’ity farany, fa an-terisetra na natao an-keriny ny nakan’io firenena io, ireo nosy manodidina ireo, teo am-pelatanan’ny firenena Malagasy, hoy izy. Ny firenena mikambana efa an-taonany maro no nilaza sy naneho ampahibemaso, fa antsika Malagasy ireo nosy ireo. Nambaran’ity mpahay lalàna ity, fa mifanohitra amin’ny lalàna iraisam-pirenena ny nakan’i Lafrantsa ireo nosy ireo, hoy hatrany izy. Araka ny fantatra, dia mbola misy ny dingana tokony ataon’ny Malagasy amin’ny hamerenana ireo nosy ireo, dia ny mba hiverenan’ny fiandrianam-pirenena.  Tena ny Malagasy no tompon’ireo nosy ireo, hoy io mpahay lalàna io, ka tokony tsy hisy intsony ny ady hevitra sy ny fifampiresahana, fa tena mba hipetraka ho an’ny gasy amin’izay ireo nosy ireo. Manana finoana aho ary isika Malagasy dia tokony hanana fanantenana, fa tsy maintsy miverina amintsika ireo nosy ireo ary hanery an’i Lafrantsa isika mba hamerenany ny fananantsika amintsika, hoy hatrany i Imbiky Anaclet mpahay lalàna.

Vous aimerez aussi