Ny taona 2010 no nijoro ara-dalàna ny antoko politika Bemiray ary nanohana ny Filohampirenena hatrany ny antoko. Nambaran’ny Profesora Bruno Razafinimanana, filoha mpanorina ny antoko, fa manohana tanteraka ny velirano sy ny vina ary ny programan’asan’ny Filohampirenena ankehitriny ny antoko tarihiny amin’izao. Vao nitsangana ny antoko, dia efa naneho ampahibemaso, fa hanohana tsy misy fepetra ny fitondrana tarihin’atoa Andry Rajoelina ny antoko Bemiray. Araka ny fanazavan’ity profesora ity, fa mahatsikaritra ary mahita ny antoko fa efa hita maso ankehitriny ny fitiavan-tanindrazan’ny mpitondra ankehitriny. Eo ny fanampiany ny tantsaha, ny fanohanana ireo mpandraharaha, ny fijerena ny tanora sy ny fanampiana azy ireo amin’ny fiahiana ara-tsosialy ary ny tontolon’ny fanatanjahan-tena izay hita fa nisongadina, hoy izy. Eo koa ny fametrahana ny lalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Ankoatra izay ny fitakiana ny nosy manodidina nataon’ny mpitondra. Amin’ny ankapobeny, hoy ity filohan’ny antoko Bemiray ity, dia tafiditra tao anatin’ny fitakiana nataon’ny HFI na Hetsika Fanorenana Ifotiny ireo ataon’ny Filohampirenena ireo, hoy izy. Eo an-dalam-panatanterahana ny fanomeza-toky sy ny velirano koa ny fitondrana amin’izao, fa tsy maintsy ho tanteraka ireo vina ireo. Koa miantso ireo mpamatsy vola rehetra mba hanohana sy hanampy izao fitondrana izao ny antoko Bemiray. Miantso ireo mpikambana rehetra manerana ny nosy koa ny profesora mba hanolo-tanana sy hanampy ny fitondrana amin’ireo programan’asany rehetra. Marihana, fa tsy mitady setriny na/sy tambiny na koa toerana ny antoko, fa tolo-tanana no ataon’izy ireo amin’ny mpitondra. Nomarihany etoana fa nisy olona namadika sy nandoto rano ny mpikambana sasany tao amin’ny antoko Bemiray, hoy ny profesora. Tsara ho marihana, fa mpikambana feno tao amin’ny vovonana HFI, ny antoko Bemiray tarihiny, hoy hatrany ny profesora.


