RAFIDIMANANA DESIRÉ : Tokony hamaly ny filan’ny vahoaka ny ben’ny tanàna

Tokony hanatanteraka ireo programan’asany sy ny toky nomena ny vahoaka ny ben’ny tanàna, hoy ny filohan’ny Tanora Miandrandra ny Ho avy na ny Tmh. Nambaran’atoa Rafidimanana Desiré, fa tokony ho laharam-pahamehana ny ben’ny tanàna, ny tsy hamitaka ny vahoaka ary hanatanteraka ireo fandaharan’asany. Eo ny mikasika ny tsy fandriampahalemana izay mirongatra ary nahazo vahana. Ny fanatanterahana ny veliranon’Iarivo. Ankoatra izay, dia mivangongo ny fako, izay miteraka loto sy fofona, ka ny manala izany no tokony hataon’ny ben’ny tanàna ary manadio ny tanàna. Eo koa ny fijerena izay mahasoa ny fiainan’ny vahoaka sy ny filany amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny sosialy. Ankoatra izay rehetra izay, ny fitakiana ireo nosy Malagasy, satria, Antananarivo no renivohitra, ka tokony hiara hiasa amin’ny Malagasy amin’ny fitakiana io nosy io, ny ben’ny tanàna, hoy hatrany ny filohan’ny Tmh.

Vous aimerez aussi