Nifampiarahaba noho ny taona vaovao 2020 teny amin’ny Trace Tsiadana ny mpanao gazety rehetra, na miankina na tsy miankina, ny sabotsy lasa teo.
“Aoka tsy ho tsabahan’ny ministry ny kolontsaina sy ny serasera mihitsy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety”, hoy ny filohan’ny holafitra Gérard Rakotonirina, fa lasa misy antsojay ilay izy. Nambarany, fa tsy izay mahafaly ny olona na ny mpitondra na mpanao politika na mpandraharaha ny vaovao avoaka, fa manana ny etikany sy ny deontolijia ny mpanao gazety amin’ny vaovao izay avoakany. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny holafitra, dia tokony hanaja ny rafitra misy ny ministra, fa amin’izao dia lasa mandringa io rafitra io. Ka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety no lasa mandringa manaraka izany koa.
5 taona no nitantanan’ireo mpikambana tao amin’ny holafitra ny birao, hoy ny filoha lefitra Didi Ratsimbazafy, ary maro ny zavatra vitan’izy ireo. Anisan’ireny ny fiarovana ireo mpanao gazety niakatra fitsarana. Mandringa ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, hoy izy ireo ary lasa misy endrika antsonjay izany asa izany, koa aoka samy ho saropiaro isika mpanao gazety, indrindra amin’ny resaka karatra maha-matihanina’ny mpanao gazety, fa tsy hovàna isaky ny miova ny ministra. Miantso ny firaisan-kinan’ny mpanao gazety rehetra tsy ankanavaka ny filohan’ny Holafitra. Farany, tokony homena mari-boninahitra ireo mpanao gazety mendrika tamin’ny asa izay nataony, hoy Gérard Rakotonirina.


