“Tena voafitaka tanteraka izahay”, hoy ireo kaoperativa miisa 25 nalàna tetsy Ambodivona. Nambaran’izy ireo, fa ny kaoperativa miasa amin’ny RN6 sy RN4 no nezahina nalàna teny an-toerana voalohany, araka ny fifanarahana am-bava natao. Zavatra nifanarahana tamin’ny filohan’ny kaoperativa CTPRV, dia miara-mifindra avokoa ny RN4, RN6 ary ny RN2. Ny RN2 no mbola tsy niala teny, fa narirarira, fa ny kaoperativa Cotisse sy Kofimanga izay manao Mahajanga no niala voalohany. Nanaiky ny fandaminana ny kaoperativa rehetra manao Toamasina, fa rehefa nalàna izy ireo dia tokony ho niala avokoa ny rehetra, fa tsy hoe mijanona eny izay manana kaoperativa ara-dalàna. Nanaiky niala ary niala tsy fidiny izahay, hoy ireo kaoperativa. Nambaran’izy ireo, fa lasa lavitra ho an’ny mpandeha ho any Toamasina ny gara eny Andohatapenaka amin’izao, satria lasa avo roa heny ny saran-dalana tonga eny. Hatramin’izao anefa ny fandaminana dia mbola mikorontana tanteraka, hoy hatrany izy ireo. Marihana, fa na dia nifindra aza ireto kaoperativa ireto, dia tsy miova ny saran-dalana, izay mijanona ho 20.000 ariary ho an’ny Toamasina ary 30.000 ho an’ny Mahajanga.
Ny Cotisse sy ny Kofimanga ary ny Vatsi kosa no mijanona etsy Ambodivona ka nampiakatra ny saran-dalany, ka 25.000 ariary ho an’i Toamasina ary 40.000 ariary ho an’I Mahajanga. Ho an’ireo kaoperativa sasany kosa dia mety amin’izy ireo ny nifindra teny amin’ny Makis, satria, voaaro ny mpandeha, saingy, ny eo amin’ny fandaminana dia mbola tsy milamina, hoy izy ireo.


