FIAKARAN’NY RANO AO BESARETY : Ny lakan-drano tsentsina no mahatonga izany

Ny lakan-drano tsentsina no mahatonga ny rano miakatra eny Besarety, hoy ireo mponina teny an-toerana. Ny toe-tsain’ny olona mihitsy no mila ovàna, hoy ny sefo fokontany, satria manary fako, sachets, tavoahangy plasitika sy ny fako avy any an-trano avy ny olona , hany ka rehefa avy ny orana dia miakatra ny rano. Toy izany ny rano niakatra teny Besarety nandritry ny orana nikija teto an-drenivohitra. Namboarina “béton” ny lalana teny Besarety ary efa azo ivezivezena izany amin’izao, hoy  hatrany ny fanazavana voaray ary tsy atahorana ny hiakaran’ny ranobe intsony toy ny teo aloha. Tokony hanadio ary tsy hanary fako ao anatiny intsony ny  mponina, hoy ny fokontany. Natao hajaina ny lalana, fa natokana ho an’ny daholobe izany, ka tokony hanaja ny fananana iombonana ny rehetra, na lalana io na  lakan-drano na  tatatra, hoy hatrany ny sefo fokontany. Nambarany, fa ny fako sy ny rano avy any Antanimora, Ampandrana no mivarina eny Besarety sy Andravoahangy, Masikara, ka mahatonga ny fiakaran’ny rano rehefa avy ny orana. Misy vava-rano  eny Besarety na “Valleé de l’Est”, ka tokony ho 16 metatra tsimivadimandry io vava-rano io na 16m2, fa amin’izao dia  lasa 2m2, ka mora miakatra ny rano.

Vous aimerez aussi