Raha tsy tazana teo amin’ny sehatry ny mozika nandritra ny roa taona teo ho eo i Steffy, fantatra izao fa hiverina sy hitondra rivo-baovao ho an’ny mpankafy indray izy amin’ity taona 2020 ity…
Mbola notazonina hatrany ny kanto efa nahafantaran’ny mpankafy azy hatramin’izay, saingy nampiany zava-baovao hafa mifanaraka amin’ny toetrandro izany. Raha ny fantatra, niezaka nitanika zavakanto tsara omena ny mpankafy izy tao anatin’io fotoana lava tsy niakarany an-tsehatra io.
Ankehitriny, efa misy vokatra roa vaovao be navoakan’ i Steffy : “Tsy Anjara» sy « Paradisa», ity farany izay marihina fa niarahany nihira tamin’i Aaxon, kintana vao misandratra avy any Mahajanga. Nambaran’ity mpanakanto zanaky Toliara ity fa entiny hanehoana ny fiaraha-miasa mivelatra sy malalaka eo aminy sy ireo mpanantalenta hafa amin’ny mozika no anton’ity fampiaraham-peo ity. Ny mozika rahateo tsy misy sisintany.
Hivelatra
Ankoatra izay, manana vinanasa goavana ho amin’ny filalaovana ny salegy sy gadona afrobeat somary mifangaro i Steffy ho fanomezana ainga vao ny mozikany. « Asandrato dia ankafizo fa tsara ny mozika malagasy » hoy izy. Marihina fa tsy ho ela intsony ny fivoahan’ny rindrantsary vaovaon’ity mpanakanto ity. Ny taona 2015 no nirotsaka teo amin’ny sehatry ny hira sy ny mozika i Steffy.


