Tanora miisa 1.200 avy amin’ny Fokontany 41 avy amin’ny faritra iva no hahazo fiofanana avy amin’ny tetikasa TANOra MAsoivohon’ny FIlaminana eto Iarivo (TANOMAFI) na koa hoe « Jeunes ambassadeurs de la Paix ».
Hisy, araka izany ny fifantenana ireo tanora marefo ireo, izay mbola hisy ny mason-tsivana ahafantarana ny faharefoany.
Hapetraka eny anivon’ny Fokontany 13 ny tranoheva handraisana ny hetahetan’ireo tanora, ahazoana mandray ny fanirian’ny tsirairay. Avy amin’izany no ahafahana manoro hevitra azy amin’ny làlana tokony hizorany, ka hanivanana azy amin’ny tetikasa samihafa. Haharitra 16 volana moa ny fanofanana azy ireo.
Ny SAFF FJKM no mitarika izao tetikasa izao, saingy misy ny fikambanana roa hafa, izay miara-miasa aminy.
Ny SAFF FJKM dia efa manana traikefa nandritra ny 24 taona teo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny sehatra maro.
Tsy mitazam-potsiny ny mpiara-belona, araka izany, ity sampanasa avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ity fa mitsinjo ny mpiara-monina marefo ao aminy koa.
Koa natao izao tetikasa izao ho fampandrosoana ny maha-olona manontolo sy ho fifampitsimbinana eo anivon’ny fiaraha-monina.


