Raha toa ka efa azo nihoriranana ihany ny fitohanan’ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra, tsikaritra indray ny fiverenan’izany, tato ho ato. Adim-pamataranandro maro no tsy maintsy lanian’ireo mpitondra fiara hiatrehana izany isanandro vaky…
Niverina
Nomarihan’ireo mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra eto Analamanga fa ny fiverenan’ireo mpivarotra amoron-dalana miampy ny fahasimban’ny ampahan-dalana maro eto an-drenivohitra ankehitriny no anisany nampahazo vahana indray ny fitohanan’ny fifamoivoizan’ny fiara. « Tsy sahaza intsony ny isan’ireo fiara mifamoivoy eto amintsika ny habehan’ny arabe misy ankehitriny », hoy ny tomponandraikitra iray misahana ny asa vaventy. Miverina ihany koa ny gaboraraka amin’ny fampiasana ny arabe noho ny tsy fahitana intsony ireo mpitandro ny filaminana nitondra fampianarana ho amin’izany.
Nanao afon’apombo ilay hetsika nentina nanalàna ireo mpivarotra amoron-dalana nataon’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antanarivo renivohitra sy ny fampianarana ny mpampiasa arabe hanara-dalàna. Tsy mahagaga raha niverina indray ny fitohanana lavareny mampiteny ny moana ankehitriny. Fatiantoka goavam-be ho an’ny toekarem-pirenena anefa no aterany.
Mila fandraisana andraikitra maika sy mitohy, araka izany, ny fanamaivanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo fa tsy vitan’ny asa vonjy tavanandro sy sary indray mipika isehoana ivelany fotsiny ihany fa mahavita mamaha olana « hono » ary efa mandray andraikitra e !


