Feno ny fandaharam-potoan’ny Fédération Sport Boule Malagasy (FSBM), ho an’ity taom-pilalaovana 2020 ity. Nambaran’ny filohany, Randriamarohaja Dolys, fa hisy ny sazy hampiharina amin’ireo mpilalao malagasy mandray anjara any amin’ny Cap…
Hanomboka amin’ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 marsa, ho avy izao ny taom-pilalaovana 2020, ho an’ny taranja tsipy kanetibe, eo ambany fitantanan’ny FSBM. Hisantatra izany, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ho an’olon-telo miaraka, sokajy telo dia ny “senior” lahy sy vavy ary ny “vétéran”. Raha tsy misy ny fanovàna, hotanterahana eny amin’ny kianja Imerintsiatosika ny fifaninanana rehetra.
Ho voasazy
Nanao antso avo amin’ireo mpilalao tsipy kanetibe, Randriamarohaja Dolys, filohan’ny FSBM fa hiharan’ny sazy mafy izay mikasa handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, karakarain’ny kaonfederasiona afrikanina (Cap), hatao any Egypta, ny 21 ka hatramin’ny 27 marsa, ho avy izao.
“Firenena efa nosazin’ny federasiona iraisam-pirenena no mpikambana ao anatin’io ary tsy mpikambana ao anatin’ny FIJP izy ireo, noho izany, manala ny tenany, tsy ho mpilalao ara-dalàna eto Madagasikara, izay miatrika izany”, hoy hatrany izy.
Efa nampahafantatra ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, ny FSBM mba tsy hanome fankatoavana ireo mpilalao mety hitonona fa solontena malagasy, hiatrika izany.
Raha nanao jery todika ny taom-pilalaovana lasa, izay taona voalohany nitondrany ny FSBM kosa I Randriamarohaja Dollys, tsy nanafina fa niaina tao anaty savorovoro ka sarotra ny niandrandrana vokatra tsara. Antenaina, hoy ny lehilahy, fa efa tony izany amin’ity taona 2020 ity, ka hiverina amin’ny heriny sy ny tanjany, ny tsipy kanetibe malagasy. Tanjona rahateo, ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy lehilahy, hatao any Soisa, ny 16 ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao.


