Mahafantatra ny valan’aretina ny olona ary tany amin’ny 98% amin’ireo distrika 98 nanaovan’ny Firaisamonim-pirenena Rohy fanadihadiana. Mahomby ny serasera momba ny valan’aretina, ary voarain’ny olom-pirenena izany, hoy ny Rohy. Ny 10 tamin’ireo distrika no nahitana olona mitondra ny covid-19, dia Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimodrano, Fenoarivo Antsinanana, Toliara I, Toamasina I sy II, Antsiranana I, Fianarantsoa, Lalangina, Morondava. 19 % tamin’ny distrika no nanao famendrahana fanafody. Tsy voahaja kosa ny fitangoronan’ny olona rehefa tsena amina tanàna iray. 71%n’ny distrika no nampihantra ny fihibohana tamin’ny ampahany, ary 23% tsy nahitana. 5% no hentitra tamin’ny fampiharana ny fihibohana. Ny tany an-tokantrano, dia 38% n’ny mpanao fanadihadiana no nahita fa tsy afaka nanaja ny fihibohana ny fianakaviana noho asa ny fivelomana. Nidangana ny vidin-tsakafo tamin’ny 23% distrika. Ny 4% no nahitana fanavakavahana ireo marary nanantona ny toeram-pitsaboana na inona na inona aretina nahazo azy ireo. Fehiny, tokony hamafisina ny firindran’ny fandraisana fanapahan-kevitra any amin’ny Foibe sy ny faritra hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny fepetra. Tokony ho voafaritra mazava ny fametrahana ny Loharano mba ho tena sehatra ahafahan’ny vondrom-bahoaka ifotony mandray anjara amin’ny sehatr’asa samihafa any amin’ny fiaraha-monina, hoy hatrany ny hetsika Rohy.

