FJKM AMBOHITANTELY : Maivana ny fahoriana raha maneho ny voninahitr’Andriamanitra

« Ary tsy ketraka izahay ; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray anatiny. Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. »

Izany tenin’ny Soratra Masina nosoratan’ny Paoly Apostoly, ao amin’ny II Kor 4 : 16-18 izany no nentin’ny Fitandremana Ambohitantely nampahahery ny kristiana tao aminy, tamin’ity alahady voalohany nisokafan’ny Fiangonana noho ny « hamehana ara-pahasalamana » ity.

Tsy ny fahoriana no mifehy

Nampahery ny fiangonana noho ny toe-java-misy maneran-tany sy misy eto amin’ny firenena ny Mpitandrina Maholy Rakotonavalona.

Marina fa misy ny fahoriana maneran-tany, ankehitriny, hoy izy, kanefa tokony havesan-danja ny voninahitr’Andriamanitra. Koa ny mpino dia tokony hanana toe-tsaina hafa noho ny an’ny olon’izao tontolo izao, amin’ny fiatrehana ny fahasahiranana samihafa.

Tsy ny fahoriana no tokony hifehy ny mpino fa ny mpino no mifehy izany amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny voninahitr’Andriamanitra izay tokony havesa-danja amin’ny fitiavana sy ny fifankatiavana.

Ny olon’izao tontolo kosa mbola mifetsy, mangalatra, mandainga,…satria tsy maneho izany vonihahitr’Andriamanitra izany na dia ao anatin’ny fahoriana aza. Hany ka mitarain-dava, ary manakivy sy mamindra izany amin’ny hafa.

Ho maivana ny fahoriana

Maivana anefa ny fahoriana raha toa ka iainana ny fitiavana sy ny fifankatiavana, izay hananana firaisan-kina ao amin’ny Tompo.

Efa niainan’ny Ntaolo izany, ka hoy izy : « Ny entan-jarai-mora zaka ».

Efa fanentanan’ny Soratra Masina rahateo ny fifampitondrana izay mavesatra, ny fiaraha-miory amin’izay ory,…

Manamafy izany hatrany ny Ntaolo : « Ny fahoriana tsy lazaina amin-kavana, zakan’ny tompony ». Midika izany fa zava-dehibe ny fiaraha-mitondra ny fahasahiranana. Ny fisaratsarahana kosa mampavesatra ny fahoriana.

In-dimy niditra

Marihina moa fa noho ny fanaraha-dalàna dia nisy fidirana in-5 tao amin’ity fitandremana ity androany. Narahina an-tsakany sy an-davany ny fepetra rehetra : ny fitsapana hafanana, ny fanasan-tànana, ny elanelana iray metatra, ny fanoratana anarana sy ny adiresin’ny mpino,..ary tsy nihoatra ny 50 ny mpivory.

Vous aimerez aussi