Mitontaly 71 ankehitriny ireo olona sitran’ny aretina coronavirus eto amintsika, satria niampy 9 indray ireo nivoaka ny toeram-pitsaboana azy tamin’ity andron’ny alahady ity.
Zazalahy iray 9 taona, monina any Toamasina kosa no voatily vaovao ho mitondra ny tsimokaretina, tamin’ireo 63 natao fitiliana androany.
Araka ny fampitam-baovao ofisialy dia tsy misy manana soritraretina mampiahiahy avokoa ireo 53 sisa manaraka fitsaboana.
Mitohy hatrany ny fitiliana
Mitohy hatrany kosa ny fitiliana hatao eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Koa ireo olona ahiana, izany hoe ireo nifanerasera tamin’ireo olona efa voa no iantefan’izany voalohany.
Midina eny ifotony eny, araka izany, ireo mpisehatra ara-pahasalamana manokana misahana izany, izay ahitana ireo mpitsabo miaramila, amin’ny ankapobeny.
Mila ampitomboina ny fitandremana
Miha mitombo ny fifamezivezena ankehitriny. Hiroso amin’ny fianarana ihany koa, ohatra , ireo mpianatra amin’ny taona faha-5 rahampitso. Tokony hitombo, araka izany koa ny fitandremana amin’ny fanarahana ny fepetra efa noraisina dia ny fanaovana ny sarontava sy ny fisasan-tànana matetika.
Entanina hatrany ireo olona marefo : ny taizan’aretina sy ny zokiolona mba hitandrina bebe kokoa raha tsy maintsy mivoaka ny trano.
Ny fihibohana anefa no fahendrena tsara indrindra mba tsy ahazoana ny tsimokaretina eny amin’ny fifaneraserana eny.


