Andiany fahadimy ! Araka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny ministra, ny sabotsy hariva teo, dia miampy 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Araka ny fahefana nomen’ny filohan’ny Repoblika an’ny praiministra, dia nanao fakan-kevitra tamin’ireo lehibena Andrimpanjakana dia ny Fitsarana avo momban’ny Lalàmpanorenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Antenimierampirenena, dia tapaka taorian’izay, fa nampitomboina 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana eto amintsika, noho ny fihanak’ilay valan’aretina Covid19.
Noho izany, dia mbola manankery avokoa ireo fepetra noraisina hatramin’ny nisian’ny fihibohana teto amintsika. Mihatra ihany koa io didim-panjakana io vatany vao mivoaka amin’ny haino aman-jery sy ny gazetim-panjakana. Noho izany, mbola manentana ny vahoaka malagasy rehetra mba hanaraka sy hanaja ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony matetika. Ny fanajana ny elanelana iray metatra ary ny fanaovana ny arovava sy orona. Ho hentitra ihany koa ny sazy ho an’ireo mandika ny lalàna sy fepetra efa misy hatramin’izay, hoy hatrany ny tatitra voaray.


