FANARENANA NY TOEKARENA : Zava-dehibe ny famokarana sy fanomezana asa isa-tokantrano

Ny fampiakarana ny famokarana amin’ny alalan’ny fanomezana ny asa isan-tokantrano mba hampitombo ny fanjifana no hanarina haingana ny toekarena eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny mpahay toekarena iray eo anivon’ny Faribolana Mpandinika ny Hary eto Madagasikara na “CREM”. Manan-danja lehibe amin’ny fanantanterahana izany ny fanapahan-kevitra sy ny politikam-panjakana amin’ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana eto amin’ny firenena araka ny fanazavany. Tsikaritra amin’izao fotoana izao ny fihenan’ny elanelana mikasika ny farim-piainana manerantany mihitsy satria saika sahirana avokoa ny mahantra sy ny manankarena. Midika izany hoy izy fa ny isan-tokantrano mihitsy no voakasiky ny krizy noho ity valan’aretina coronavirus ity. Rehefa tsy mamokatra ny olona dia mbola hihena hatrany ny fahefa-mividy sy ny fanjifana ary tsy hihodina mihitsy ny vola ka hampikatso tanteraka ny toekarena hoy hatrany ny fanazavany.

Vous aimerez aussi