Tsy refesi-mandidy ary tena marina ny fambarany hoe « tsy baikon’iza na iza » ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo ankehitriny, hoy ny mpanolo-tsaina eo anivon’ny kaominina, ramatoa Clémence Raharinirina. Efa notsipahin’ny mpanolo-tsaina ary tsy lany hoy izy ny fandravana ireo tsena eto Antananarivo nefa dia niniana natao ihany. Na ny teny anivon’ny tribonaly ihany koa aza dia efa nandray fanapahan-kevitra hanajanona tanteraka ny fandravana, saingy tsy miraharaha an’izany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny. Nilaza Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy fotoanan’ny famotehana fananan’olona izao ary hiezaka ny hiady hatramin’ny farany ny tenany amin’ny fiarovana ireo rava tsena tahaka ny teny Ambodifilao, teo akaikin’ny Boriborintany voalohany sy ny manodidina. Nilaza ihany koa ireo mpivarotra rava tsena fa misy ambadika politika izao satria ny fotodrafitr’asa izay namboarin’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Lalao Ravalomanana rehetra dia ezahina potehina avokoa ankehitriny. Nitaraina izy ireo fa tsy mba misy fifampiresahana kanefa manana ny fahazoan-dalana nanorina ary nahazo alalana tamin’ny kaominina izy ireo tamin’ny fotoan’androny. Ara-dalàna ary mandoa ny patanty sy ny vola rehetra tokony naloa izy ireo nandritra izay ela izay ary nandany an-tapitrisany maro, hoy izy ireo. Farafaharatsiny mba nisy fampiantsona na fiheverana ny famerenam-bola tamin’ny lanin’izy ireo saingy didy jadona sy ny fanaparam-pahefana no atao ankehitriny, hoy ity mpanolo-tsaina ity.


