Ankatoka amin’ny fanakalazana ny niverenan’ny fahaleovantena isika amin’izao fotoana izao, indrindra fa amin’ity volana Jona ity. Mbola betsaka ihany anefa ireo tokantrano Malagasy no tsy manangan-tsaina. Nampahafantatra ny maha zava-dehibe izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, ny zomà teo, tao amin’ny “Direction des Combattants Nationalistes” tetsy amin’ny RM1 Analakely. Nambarany tamin’izany, fa mariky ny fiandrianam-pirenena ny sainam-pirenena ka ny fanajàna sy ny fananganana izany dia maneho ny fananana ny hambompom-pirenena. Tonga nitsidika ny fampirantiana ho fampahafantarana ny mombamomba ny sainam-pirenena Malagasy izay nokarakarain’ny Vaomieran’ny Sivisma teo anivon’ny Komity Tekinika nasionaly mikarakara ny fanamarihana ny fetim-pirenena natao tetsy amin’ny tobin’ny Rezimanta Miaramila voalohany moa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka tamin’io andro io.


