DISTRIKAN’I BETAFO : Gaboraraka ny fitaterana, manjaka ny tsy fanarahan-dalana

Anjakan’ny gaboraraka sy ny tsy fanaraha-dalana tanteraka ny sehatry ny fitaterana any amin’ny distrikan’i Betafo Antsirabe sy ny mihazo ny lalam-pirenena faha- 34 iny.

Ampahany amin’ireo tsy fanarahan-dalana ataon’ireo taksibrosy ny fanaovana taingim-be ao anatin’ny fiara izay mandika avy hatrany ny isan’ireo olona tokony hoentina anatin’ny fiara. Manginy fotsiny ny fampiakarana ny saran-dalana. Raha saran-dalana tokony ho 1 500 Ar, ohatra, dia tafakatra 2 000 Ar izany. Ny saran-dalana 2 000 Ar dia lasa 3 000 A ary ny 5 000 Ar tafakatra 10 000 Ar. Vokany, maro amin’ireo mpampiasa ny fitaterana any an-toerana tahaka ny mpiasa, mpianatra ary indrindra ireo tantsaha tokony hivarotra ireo vokatry ny tany no mizaka ny tsy eran’ny ainy. Naihtana fikarany ihany koa ny vidin’ireo kojakoja fampiasa andavanandro.

Mitazam-potsiny ireo manam-pahefana

Manoloana ny tsy fanarahan’ireo mpitatitra ireo fepetra takiana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia mitazam-potsiny sy tsy ahitana fandraisana andraikitra ireo manam-pahefana any an-toerana. Mahagaga sy mahatalanjona, hoy ity mponina iray avy any Betafo fa tsy mba mandray fepetra toy ny fanasaziana na fanagiazana ireo fiara tsy manara-dalana ny tomponandraikitra any an-toerana. Vokany, manararaotra toy ny banga mihomehy alina hatrany ireo mpitatitra ary azo ambara fa manao ny danin’ny kibony tanteraka.

Raha tsiahivina, efa nampiakam-peo sy nampaneno lakolosy fanairana manoloana ity tranga ity ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa izay manana ny rantsany ao Vakinankaratra, saingy mbola tsy nahitam-bokany izany hatreto. Ahiana vao mainka hampirongatra ny fihanaky ny covid- 19 izao fisian’ny baranahiny eo amin’ny seham-pitaterana any amin’ny distrikan’i Betafo izao raha tsy misy ny fandraisana andraikitra matotra sy maika.

Vous aimerez aussi