Efa miparitaka manerana ny nosy ny “fikambanana tradisionela Malagasy” na ny FITRAMA. Ahitana izany fikambanana izany ny any Fianarantosa, Moramanga, Vohipeno, Toliary, Farafangana, Ambatondrazaka, Antananarivo. Hisokatra tsy ho ela ny any Maevatanana sy Mahajanga, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy. Nambarany, fa ireo tanora manodidina ny 18 taona ka hatramin’ny 25 taona no liana amin’ny fitsaboana nentim-paharazana amin’izao fotoana izao. Ny FITRAMA dia fikambanana iray mitrandraka sy manao fikarohana fanafody amin’ny alalan’ny zava-maniry ary manandratra ny vita gasy sy ny fikarohana Malagasy, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny Hafari. Mamerina ny maha gasy an’ny gasy ny fikambanana amin’izao, amin’ny alalan’io fikarohana sy fitsaboana mahagasy io, hoy hatrany izy. Voalazany koa, fa tena hametraka ny ambom-po amin’ny alalan’io fitsaboana netim-paharazana io ny fikambanana Fitrama sy ny Hafari. Marihana, fa tena manasitranana ny fanafody vita amin’ny zava-maniry, hoy hatrany ny filohan’ny Hafari Malagasy.


