Tsy mazava ny fomba fitantanan’ny sefo fokontany Andavamamba Anjezika, hoy ny fokonolona teny an-toerana, ka takian’izy ireo ny hanesorana ny sefo fokontany. Teo ny fitantanana ny Tosika fameno, ny Vatsy tsinjo, ny Tsena mora, sns…, dia tsy nazava tamin’ny mponina ny fitsinjarana izany. Ankoatra izay, ny fitakiana vola mihoampapana amin’ireo karazana adidy ao amin’ny fokontany, izay nahitana fiakarany koa, hany ka velon-taraina amin’izany ireo mponina teny an-toerana. Noho izay tsy fangaraharahana izay dia mitaky ny hanalana io sefo fokontany sy ny mpiara-miasa aminy ny fokonolona any an-toerana. Voalazan’izy ireo aza fa manararaom-pahefana ity sefo fokontany ity, vao nahazo ny toerany, ka takian’ny mponina hatramin’ny farany ny fanesorana azy. Nilaza kosa ny sefo fokontany voakasika, fa fankahalana sy tsy fitiavana tsotra izao no antony izao fanesorana azy izao. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.


