Tsy tafavoaka araka ny tokony ho izy ny vokatra voasary ao amin’ny distrikan’ny Vohipeno noho ny fihibohana. Vokany, maro amin’ireo voasary no simba am-pitoerana fotsiny anatin’izao taom-piotazana izao. Kamio miisa 10 isan’andro no nitondra ny vokatra mivoaka an’i Vohipeno talohan’ny fihibohana. Tsy misy afa tsy fiara Sprinter miampy fiarabe vitsivitsy sisa no mitatitra izany ankehitriny, hoy ireo mpamboly. Iaraha-mahalala anefa fa misy fe-potoana voafaritra ny ahafahana mikirakira ny voasary noho izy vokatra mora simba.
Manao antso avo
Na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana, mila jerena akaiky ny fahalalahan’ny fivezivezen’ny vokatra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fiarabe, hoy ireo mpamboly voasary, ao amin’ny distrikan’ny Vohipeno. Raha tsiahivina, Antsirabe sy Antananarivo no mpanjifa ny ampahany maro amin’ny vokatra voasary avy any Vohipeno. Efa an-dalana ankehitriny ny fifampiresahana amin’ireo manam-pahefana ahafahana manamora ny famoahana ny vokatra voasary ao amin’ny distrikan’ny Vohipeno. Ankoatra ny famokarana voasary, manana ny maha izy azy amin’ny hatsaran’ny kalitaon’ny vokatra kafe sy ny lavanlla ihany koa i Vohipeno, saingy mila fandaminana sy fanaraha-maso akaiky ny momba azy ireo noho ny mbola fisian’ireo mpijirika.


