Amin’ny 10 jona ho avy izao no hifidy izay ho solon’ny filoha lefitry ny CENI teo aloha, Thierry Rakotonarivo ireo solombavambahoaka, ka ny 11 jona ho avy izao no fantatra izay handimby azy. Araka ny fanazavana voaray dia miisa 11 ireo olona nanatitra taratasy hisolo an’ny filoha lefitry ny CENI teo aloha, teny anivon’ny Antenimierampirenana. Tsiahivana, fa noho ny fanambarana sy ny filazana nataony mikasika ny anarana miverina indroa tao anaty lisi-pifidianana sy ny fisian’ireo karapanondro maro hosoka no antony nanesorana an’ity filoha lefitry ny CENI teo aloha ity. Andrasana ny mety handimby azy ato anatin’ny andro vitsivitsy, hoy ny fanazavana voaray.


