GOVERNORAN’NY FARITRA BETSIBOKA : Vonona ny hanolo-tanana ny programan’asany ny jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina

Vonona ny hanome tanana sy hanohana ny governoran’ny faritra Betsiboka vaovao, ny jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina. Nambarany fa “raha tsy natahotra an’Andriamanitra ity governora vaovao an’ny faritra Betsiboka ity dia tsy nanohana azy ny tenako ary amin’ny fo madio no hanohanako azy amin’ny fampandrosoana ny faritra amin’ny lafiny rehetra. Olona mivavaka isika, ka ilaina ny fandeferana, hoy hatrany ity jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina ity”. Niantso fampihavanana ny governoran’i Betsiboka tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny alatsinainy lasa teo. Nambaran’ity manamboninahitra ity, fa ny ministra Nadine Ramarson sy atoa Alain Ramarson no nametraka ny fampihavanana teo amin’ny firenena ny taona 2009 nandritry ny Tetezamita, ka tsy tokony ho hadinon’ny tafika Malagasy izay fampihavanana nataon’izy mianaka izay ary anisan’ny nametraka ny “assise militaire” koa. Manaiky izay fampihavanana notakian’ny governoran’ny faritra Betsiboka izay ny jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina. Nisy ny fihaonana teo amin’ity farany sy ny governoran’i Betsiboka ary niangavy mba hanampy azy amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ny governora. Namaly ny fangatahany ny jeneraly ary safidy no hanampiko azy, hoy ity manamboninahitra ity. Miantso ny ankolafin-kery rehetra ao amin’ny faritra Betsiboka ity jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina ity mba hanome tanana momba ny fampandrosoana ny faritra iarahana amin’ny governora vaovao. Manana ny programan’asany entiny hampandrosoana ny faritra Betsiboka ny jeneraly ary lany ron-doha tamin’ny fikarohana izany, nandritry ny taona maromaro ary io programan’asany io no hatolony ho tanterahin’ny governoran’i Betsiboka vaovao, raha ny nambarany hatrany. Araka ny fanazavan’ny jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina hatrany, dia ny politika entiny dia politika ny lanitra, izay mifantoka amin’ny tena Fahamarinana, Fahitsiana ary Fahamasinana. Hametraka andrimasom-pokonolona ao amin’ny faritra Betsiboka ny jeneraly Jean Alfred raha ny tatitra nataony hatrany. Marihana, fa ny taona 2009 – 2012 dia nampilamina ny fandriampahalemana tao amin’ny distrikan’i Kandreho, faritra betsiboka ity jeneraly ity, raha ny fanazavany hatrany, izay nifototra tamin’ny fambolena sy “sécurisation rural”.

Vous aimerez aussi