Folo taona lasa izay taorian’ny nanaovana Sonia ny tondrozotra tamin’ny taona 2011, tsy mbola tanteraka eto amin’ny firenentsika ihany ny fampihavanam-pirenena, indrindra fa ny fanonerana ireo niharam-boina tamin’ny krizy 2002 hatramin’ny 2011 izay voafaritry ny lalàna 2016-037 tamin’ny 2 febroary 2017. Fihaonana maro no efa nandalovan’ny fikambanana, hoy Rakotomalala Henri na Riribe, filoha nasionalin’ny FEDEP/Madagascar. « Teo ny fihaonana tamin’ny filohan’ny CFM, ny CHDDED, Ambasadaorin’ny vondrona eropeana, amerikanina, vonondra afrikanina… ary samy resy lahatra ny rehetra amin’ny tsy maintsy hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ankehitriny. Efa ho 3 volana izao no teo am-pelatanan’ny minisitry ny vola sy ny toekarena ny “décret d’application” momba anay FEDEP, saingy, hatreto dia tsy misy tohiny izany ary na dia efa nangataka fihaonana tamin’ny ramatoa minisitra aza dia mihemotra lava tao anatin’ny 3 volana koa. Iza no vondron’olona mahazo tombotsoa amin’ny tsy fahatanterahan’ny fampihavanam-pirenena eto ? Iza no faly amin’ny fipoahan’ny valifaty politika eto ? Tsy azo lavina fa mandalo krizy ny firenena ankehitriny. Averimberinay FEDEP eto foana fa laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena eto mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena. Noho izany, dia manao antso avo ary mangataka fihaonana amin’ny Filoha Andry Rajoelina ny birao nasionalin’ny FEDEP/Madagascar amin’ny maha ray aman-dreny voalohany azy eto amin’ny firenena. » Tsy vahaolana, hoy I Riribe filohan’ny FEDEP/Madagascar ny fanakorontanana firenena fa ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana no tokony hatao sy hamafisina ho fitadiavam-bahaolana. Ambaran’ity filohan’ny FEDEP ity anefa fa misy fetrany ny fiaretana sy ny fandeferana.


