Azo raisina fa … tsy ampy ny fitoriana ny Filoha lefitry ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakotonarivo Thierry, hoy ny eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), androany.
Tokony harahina ny fitsipika anatiny mifehy ny Ceni mikasika ny fanalàna mpikambana iray.
Mialoha ny fitoriana dia tokony ho natao ny fepetra fanarahan-dalàna samihafa. Anisan’izany ny fananganana vaomiera manokana mikarakara ny antotan-taratasy milaza ny fanenjehina mpikambana iray. Koa tokony ho manana 10 andro izy, taorian’ny fampahafantarana ny fanenjehina azy, hanomanany ny fiarovantenany sy mampahafantatra izany amin’ny Mpisolovavany.
Tsy voahaja, araka izany, ny fitoriana ity Filoha lefitry ny Ceni ity.
Namboraka tsiambaratelo
Marihina moa fa taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, ny 28 febroary lasa teo, ka namoahany ireo tarehimarika tsy ara-dalàna mikasika ny lisi-pifidianana sy karapanondro no antony nitorian’ny Filohan’ny Ceni, Hery Rakotomanana azy. Ny antony : fanaovana fahadisoana lehibe eo amin’ny asa, fanitsakitsahana ny fiainianana natao ka mamboraka ny tsiambaratelon’ny asa.
Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha !


