KMF/CNOE : Efa ny taona 2015 no nilaza fa misy hosoka ny fifidianana

Efa nilaza ombieny ombieny hatrany ny vovonam-pirenena KMF/CNOE no nilaza, fa ny fifidianana izay natao teto amin’ny tany sy ny firenena, dia feno hosoka avokoa. Iny fanambarana nataon’ny filoha lefitry ny Ceni farany teo iny, mikasika ilay karapanondro an-tapitrisany maro mitovy laharana, dia nambaran’ity vovonana ity fa tamin’ny taona 2015, nisy karapanondro 109 hosoka hita sy tsikaritr’izy ireo tamin’izany ary nohamafisin’ny KMF/CNOE, fa nisy hosoka ny lisim-pifidianana. Fanontanina no napetrak’ity vovonana ity, fa iza tao amin’ny ministeran’ny atitany no tompon’antoka tamin’ny famoahana ireny karapanondro mitovy laharana ireny ary iza tao amin’ny Ceni koa no nanao hadalàna ? Sokafy amin’io ministeran’ny atitany sy ny Ceni ireo ny fanadihadiana momba ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra tamin’ny fifidianana dia ampiharo amin’izy ireo koa ny lalàna velona sy manankery, hoy ny fanazavana. Marihana, fa ny tranom-pirinty nasionaly irery ihany no afaka mamoaka karapanondro ary baiko avy amin’ny ministeran’ny atitany no tanterahin’izy ireo. Momba ny kara-pifidianana kosa dia baiko avy amin’ny Ceni ihany koa no arahin’ny tranom-pirinty nasionaly. Koa avy aiza ny karapanondro sy ny kara-pifidianana maro tsikaritra tamin’ny fifidianana teto ?, hoy hatrany ny KMF/CNOE. Soson-kevitra no naroson’ity vovonana ity, fa tokony ho diovina tanteraka ny lisim-pifidianana ary asiana solontenan’ny fiaraha-monim-pirenena, mpanao politika, olona « centriste » no mandrafitra ny Ceni, amin’izay madio sy mangarahara ary ara-demokratika ny fifidianana atao eto.

Vous aimerez aussi