Mahavalalanina ! Mitombo andro aman’alina ny isan’ireo olona mitondra ny covid- 19 eto Analamanga. Mihagoragora hatrany ihany koa anefa etsy ankilany ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana ahafahana misoroka ny fifindran’ny covid- 19 ao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka miasa eto an-drenivohitra.
Gaboraraka mety hitera-doza !
Maro amin’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra no efa mamerina mampiasa ilay « seza volamena ». Vokany, tafakatra 05 fa tsy nijanona ho 04 intsony ny isan’ireo mpandeha mipetraka amin’ireo tandahan-tseza anatin’ny fiara.
Maro amin’ireo mpandeha ihany koa no tsy mametraka ny arovavany ao anatin’ny fiara. Ireo mpanampy ny mpamily ihany koa tsy manao izany intsony ny ankamaroany. Ilay tsiranoka mamono viriosy natokana hanasana tanana moa efa ela no nanjavona ny fisiany sy ny fampiasana azy.
Mila fandraisan’andraikitra avy amin’ireo tomponandraikitra isan-tokony ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana ao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka. Anisan’ny sehatra malalaka mety hiparitahan’ny covid- 19 ao anatin’ny fotoana fohy ny fiara fitateram-bahoaka rehefa tsy voahaja ireo fepetra. Ny isam-batan’olona ihany koa, mila tonga saina amin’ny fampiharana antsakany sy andavany ireo toromarika ara-pahasalamana ho fiarovana amin’ny valanaretina izay efa tena miparitaka eto Antananarivo sy ny manodidina.


