Vanimpotoana mampirongatra ny doro tanety ny ririnina. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny any Fenoarivobe, faritra Bongolava. Maro amin’ireo tampon-tanety no efa lasa ngazana noho ny fandorana natao tamin’izy ireny. Etsy ankilany, mirongatra ihany koa ny asan-dahalo izay namoizana aina miisa 03 sy nahaverezana omby 24.
Mikasa hametraka dina, mitohy ny ezaka
Mahatratra hatrany amin’ny 556 ireo afo tazana ao amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Fitsirihana azo avy amin’ny fampiasana ny fitaovana arifomba ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy no nahazoana ny tarehimarika. Manolona izany nisy ny ezaka efa vita toy ny fambolena zanakazo tamin’ny velarantany 100 Ha tany an-toerana. Manam-pikasana ny hametraka dina momba ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ny ao amni’ny distrikan’i Fenoarivobe. Tsy mitsahatra ny fanentanana ireo mponina ho amin’ny tsy tokony handorana intsony ny tanety.
Mandravarava ny dahalo
Toy ireo faritra maro manerana ny Nosy, anisan’ny mizaka ny tsy eran’ny aina eo amin’ny lafiny tsifandriampahalemana ihany koa ny distrikan’i Fenoarivobe, faritra Bongolava. Ny alahady lasa teo, tamin’ny 04 ora tolakandro no notafihan’ny andian-dahalo mitam-basy ny fokontanin’Ambalarano. Vokany, omby miisa 24 no lasan’ireo dahalo, fokonolona 03 mirahalahy no namoy ny ainy ary dahalo 03 ihany koa no lavon’ireo fokonolona.
Hatreto mbola tsy hita popoka ireo omby very. Manao antso avo ho an’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, araka izany, ireo mponina any Fenoarivobe mba hijery akaiky ny olan’ny fanafihan-dahalo matetim-pitranga any an-toerana. Olana ny tsy fifandanjan-kery eo amin’ireo mpanafika izay manana fitaovam-piadiana mahery vaika sy ireo fokonolona tsy manana afa tsy ny herim-batana sy ny herim-pony miampy kibay.


