KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Raikitra ny fanadiovana faobe, mitohy ny asa sosialy

Kaominina efa ahitana olona mitondra ny covid-19, ny ao Ambohidratrimo. Manoloana izany sy ho fiatrehana ny asaramanitry ny 26 jona, hisy, anio, zoma tontolo andro, ny asa fanadiovana faobe ny tanàna. Hiara-hientana hanatontosa izany ireo mponina amin’ny fokontany miisa 09 mandrafitra ny kaominina Ambohidratrimo izay samy hotarihan’ny sefom-pokontaniny avy.

Tanjona ny hanalana tanteraka ireo fako mivangongo ao an-tampon-tanànan’Ambohidratrimo sy ireo any anatin’ny fokontany miisa 09, mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina samihafa.

Mitohy ny asa sosialy, hamafisina ny fandriampahalemana

Anatin’izao fanamarihana ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena izao dia hisy ny fizarana fanomezana ireo zokiolona ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nomarihan’ny ben’ny tanàna Raherimanantsoa Feno fa ny fiaraha-miasa amin’ireo tsy miankina no ahafahana manatanteraka sy manohy hatrany ireo asa soa fanaon’ny avy eo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo.

Nanteriny ihany koa fa hisy ny fisafoana amin’ny alina hotanterahan’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ho fanamafisana ny lafiny fandriampahalemana. Ansian’ny mbola olana ho amin’ny fampandriana fahalemana an’Ambohidratrimo ny havitsian’ireo zandary miasa eny an-toerana sy ny lafiny fampitaovana azy ireo. Soa fa nisy ireo tsara sitrapo tsy mikely soroka nanolotra solika ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny fisafoana amin’ny alina, hoy hatrany Raherimanantsoa Feno, ben’ny tanàna eny an-toerana.

Vous aimerez aussi