Anisan’ireo faritra efa tsy mampihatra ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina (Couvre-feu) intsony ny faritra Boeny. Tsikaritra ho nampiverina indray ny lafiny tsifandriampahalemana toy ny fanafihana mpandraharaha, famakiana tranon’olon-tsotra, sns, ao an-drenivohitr’i Mahajanga anefa izany.
Tsy mifidy robaina, lasibatra ireo Mpandrahara
Finday, ordinatera hatramin’ny lamba firakotra sy ireo biby fiompy (akoho amam-borona). Samy lasibatr’ireo mpivelona amin’ny hatsembohan’ny hafa ireo, ao Mahajanga tampon-tanàna. Tsy ireo olon-tsotra ihany anefa no hazain’ireo jiolahy fa iharan’ny fanafihana mitam-piadiana ihany koa ireo mpandraharaha vaventy any an-toerana. Omaly, alin’ny alarobia hifoha anio alakamisy tao Mahajanga no nitrangana fanafihana mpandraharaha iray anisan’ny tremalahy ao an-tanàna. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy ity raim-pianakaviana ity.
Nomarihan’ireo mponina any an-toerana fa rehefa ankatoky ny asaramanitry ny 26 jona tahaka izao no mampirongatra ny tsifandrimpahalemana ao an-drenivohitry Boeny. Nanentana ny mponina ho mailo hatrany, araka izany, ireo manampahefana any an-toerana.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny efa ahitana olona 03 mitondra ny covid- 19 ihany koa i Mahajanga. Hentitra ireo manam-pahefana any an-toerana mampihatra ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana arovava rehefa hivoaka ny trano. Omaly alarobia, anefa, mbola nisy olona niisa 775 no tratra tsy nanao arovava teny an-dalamben’i Mahajanga.


