FITAIZANA SY FANADIOVANA AN’IARIVO : Fisehoana ivelany sa ho tena fanovana tokoa ?

Nitsaha-ketrika toy ny sosoa voatapo-drano ilay hetsika nentina nanabeazana ny mponin’Iarivo  ho amin’ny fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana sy ny fahadiovana ary ny fandaminana ny tsena. Tsy tazana firy intsony, ohatra, ireo mpitandro ny filaminana niantsoroka ny fampitana ireo mpandeha an-tongotra rehefa hiampita ny arabe. Manomboka ihany koa ny fiverenan’ireo mpivarotra amoron-dalana toy ny hita etsy Anosibe.

Mila fanohizana

Tsy ao anatin’ny andro vitsivitsy akory no antenaina ahazoam-bokatra tsara ho amin’ny fanovana ny fomba ratsy izay efa lasa toy ny tandra vadin-koditra mihitsy amin’ny olombelona iray. Mitaky fotoana lava mba tsy hilazana hoe : “An-taona maro” vao afaka manova izany ireo tomponandraikitra, hoy ny mpandinika fiarahamonina iray. Ny mahavariana anefa, tsy ampy 10 andro akory ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo no hany tazana “niasa mafy” ho amin’ny fitondrana fanabeazana ireo mpandeha an-tongotra hahay hampiasa ny làlana, ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dàlana sy ny fandaminana ny tsena amin’ny ankapobeny. Naha velom-panontaniana ny mpanara-baovao, araka izany, ny zava-misy, koa maro no lohabolana nanao hoe : “Fanovana tokoa ve no tena tanjona tamin’ny fanaovana ireny rehetra ireny sa fanamarinan-tena sy fomba entina isehoana ivelany fotsiny amin’ny hoe efa nanao sy nandray andraikitra dia hatreo ihany” ?

Vous aimerez aussi