TONTOLON’NY FANAMAFISAM-PEO  :Mila fiofanana ireo mpikirakira azy

Tsy azo lavina fa antoka iray lehibe ahazoan’ireo Mpijery fampisehoana fahafinaretana ny fanamafisam-peo tomombana. Vitsy dia vitsy mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy anefa ny seho na famoriam-bahoaka natao teto Gasikara ka tomombana tsy nisy tomika ny lafiny fanamafisam-peo. Ny ankamaroan’ny antony nahatonga izany ny tsy fahampian’ny fahaiza-manao henti-mifehy ireo fitaovana izay efa maro amin’ireo tonga eto an-toerana no raitra sy manaraka ny vanimpotoana ankehitriny.

Toa adinon’ireo mandraharaha eo amin’ny lafiny fanamafisam-peo fa tsy afaka misaraka amin’ny fanafarana ireo fitaovana ny tsy maintsy hanarahan’ireo hampiasa izany fiofanana feno mba ahafahany mampiasa azy ireny ho amin’ny lafatra tanteraka tsy hiteraka fahasorenana ho an’ireo mpanakanto eny an-tsehatra sy ireo mpijery fampisehoana.

Tsy maha menatra na koa mampietry voninahitra sy anarana tokoa mantsy ny fanarahana fiofanana fa vao mainka aza hampiakatra ny laza izay hitarika hatrany amin’ny fahafahana manatsara ny fiharian-karenan’ireo mpikirakira fanamafisam-peo eto an-toerana ny fanaovana izany.

Vous aimerez aussi